Apokalipsin'i Noan 8[]uiGGc jeG Bb j l NsnalbupihPt61t Ut]2 Y


Ny Apokalipsin'i Noa na Apokalipsan'i Nôe dia boky apokrifa na pseodepigrafan'ny Testamenta Taloha fantatra fotsiny noho ny tsiahy hita ao amin'ireo asa soratra hafa mitovy karazana aminy, dia ny Bokin'i Henoka indindraindrindra sy ny Bokin'ny Jobily ary ny Testamentan'ny Patriarka roa ambin'ny folo. Misy ampaham-boky telo amby roapolo misy ny Sora-tanana tao amin'ny Ranomasina Maty izay mety ho nikambana taminy. Bokin'i Noa na Bokin'i Nôe koa no anarana ahafantarana azy. Misy anefa ireo manohitra ny fisian'ny Bokin'i Noa ka mihevitra fa ny andalana ampahatsiahivin'ny boky hafa dia avy amina loharano hafa.

Votoatiny

  • 1 Ao amin'ny Bokin'i Henoka sy ny Bokin'ny Jobily
    • 1.1 Ny Apokalipsin'i Noa ao amin'ny Bokin'i Henoka
    • 1.2 Sombin-dahatsoratra ao amin'ny Bokin'ny Jobily
  • 2 Fifandraisany amin'ny Testamenta Vaovao
    • 2.1 Andalana ao amin'ny Taratasin'i Petera
    • 2.2 Andalana ao amin'ny Epistily ho an'ny Hebreo
  • 3 Jereo koa

Ao amin'ny Bokin'i Henoka sy ny Bokin'ny Jobily[hanova | hanova ny fango]

Ny Apokalipsin'i Noa ao amin'ny Bokin'i Henoka[hanova | hanova ny fango]

Mahakasika ny toko faha-58 manontolo hatramin'ny faha-69 ao amin'ny Bokin'i Henoka izany. Tamin'izany fotoana izany dia tsy dia nisy boky firy loatra. Raiben'ny raiben'i Noa i Henoka (na Enoka) ka tsy mahagaga raha nitambatra tamina boky iray ireo boky roa ireo.

  • Tokofaha-58: Fahitan'i Noa: nisy anjely iray nanambara taminy ireo zava-miafina. Ao amin'ny andininy faha-9: "ary ilay anjelin'ny fiadanana izay niaraka tamiko ..."

Mahakasika ny safodrano sy ny fitsarana farany ny lohahevi-dehibe.

  • Toko faha-59: Fahitan'i Noa. Nisy anjely maro, amin'ny andron'ny fitsarana farany, nandanja ny finoana. Hidera ny Tompon'ny Fanahy amin'ny feo tokana ny zavatra rehetra ao an-danitra.
  • Toko hafa-60: Fitsarana ny mpanota sy ny tsy mivavaka ataon'ny Tompon'ny Fanahy izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianam-boninahiny. Ho an'ny olo-masina sy ny olom-boafidy ny famonjena.
  • Toko faha-61: Fitalahoana sy fiderana ary fitsarana ireo andriandahy sy ireo mpanjaka sy ireo olo-mahery ary ireo tompon'ny tany.
  • Toko faha-62: Fahitana hafa. Feon'ny anjely izay mampiseho ireo nampianatra tsy fahamarinana.
  • Toko faha-63: I Noa nahita fa mitontongana ny tany, manambara loza mitatao izany. Tsy fantatr'i Noa izay hataony ka nihazakazaka teny amin'i Henoka raibeny izy mba hila hevitra taminy.
  • Toko faha-64: Fahitana anjely maro manomana ny safodrano. Nandao an'i Henoka i Noa.
  • Toko faha-65: Nandidy an'i Noa mba hanamboatra sambofiara Andriamanitra. Fitsarana sy fanasaziana ireo anjely tsy mivavaka.
  • Toko faha-66: Nanambara ny tsiambaratelony amin'i Noa i Henoka. Mifampiresaka ny amin'ny famaizana ny anjely tsy mivavaka ny anjely Mikaela sy ny anjely Rafaely.
  • Toko faha-67: Nambara ny anaran'ireo anjely voaheloka sy ny tsiambaratelo navelan'izy ireo ho an'ny olombelona. Ny velirano nataon'Andriamanitra tamin'i Mikaela.
  • Toko faha-68: Angamba miresaka ny amin'ny hampakarana velona an'i Henoka i Noa eto.
  • Toko faha-69: Fahitana momba an'i Mikaela izay maneho amin'ny vahoaka ireo anjely masina sy ny voninahitr'Andriamanitra.

Sombin-dahatsoratra ao amin'ny Bokin'ny Jobily[hanova | hanova ny fango]

Ity misy sombin-dahatsoratra ao amin'ny Bokin'ny Jobily izay heverina fa nalaina tao amin'ny Apokalipsin'i Noa:

"Ary tamin'ny herinandro fahatelon'io jobily io, ireo devoly tsy madio dia nanomboka nampisara-kevitra ny zanaky ny zanakalahin'i Noa sy nampaniasia ary nanimba azy. Ary ny zanakalahin'i Noa tonga teo amin'i Noa rain'izy ireo ary niteny aminy ny amin'ny devoly izay nampisara-kevitra azy, nanajamba sy namono ireo zafikeliny. Ary nivavaka teo anatrehan'ny Tompo Andriamaniny izy ... Ary ny Tompo Andriamanitsika nandidy ny mba hamatorana azy rehetra.

Ary ny lehiben'ireo fanahy, dia i Mastema, tonga ka nilaza hoe: Tompo mpahary, avelao ny sasany mba hitoetra eo aminao ary avelao izy ireo mba handre ny feoko sy hanao izay rehetra hoteneniko aminy, satria raha misy aminy tsy mitoetra ho ahy, tsy ho afaka hanatanteraka ny fahefan'ny sitrapoko amin'ny zanaky ny olombelona, satria momba ny fahasimban-toetra sy ny faniasiavana izy ireo sady eo anatrehan'ny fitsarako, satria lehibe ny haratsiam-panahin'ny zanaky ny olombelona.

Ary hoy izy: Avelao ny ampahafolon'izy ireo hitoetra eo anatrehany sady avelao ny ampahany sivy hidina any amin'ny toeran'ny sazim-panozonana. Ary nandidy ny iray aminy izy mba hianaranay amin'i Noa ny fitsaboan'izy ireo, satria fantany fa tsy mandeha araka ny fahitsiana na miaritra amin'ny fahamarinana izy ireo. Ary nanao araka ny teniny izahay; nafatotray tao amin'ny fitoeran'ny sazim-panozonana ireo izay misy fanahy ratsy ka navelanay ny ampahafolon'izy ireo mba ho afaka ho mpanompo eo anatrehan'i Satana eny ambonin'ny tany.

Ary nanazava ny fitsaboana ny aretin'izy ireo tamin'i Noa izy rehetra, miaraka amin'ny herin'ny maizina ampiasainy, sy ny fomba ahafahany manasitrana amin'ny alalan'ny ahitra amin'ny tany. Ary i Noa nanoratra izany rehetra izany tamin'ny boky araka ny atoro anay momba ny karazam-pitsaboana tsirairay. Ka voasakana (tsy handratra) ny zanak'i Noa ireo fanahy ratsy. Ary nomeny an'i Sema lahimatoany ny zavatra rehetra nosoratany, satria tiany indrindra mihoatra noho ny zanany rehetra izy. Ary natory niaraka tamin'ireo rainy i Noa ka nalevina tao amin'ny tendrombohitra Lobara ao amin'ny tanin'i Ararata. Nifarana tamin'ny faha-950 taona, sivy ambin'ny folo jobily sy roa herinandro ary dimy taona."

Fifandraisany amin'ny Testamenta Vaovao[hanova | hanova ny fango]

Andalana ao amin'ny Taratasin'i Petera[hanova | hanova ny fango]

Miresaka betsaka ny amin'ny fahamarinan'Andriamanitra izay tsy mankasitraka ireo lehibe eto amin'ity tany ity i Noa. Mpitory ny fahamarinana i Noa, hoy ilay nanoratra ny Episty faharoan'i Petera:

"4 Fa raha tsy navelan'Andriamanitra ny anjely fony nanota, fa noroahiny ho any amin'ny helo ka natolony ho ao an-davaka maizina mba hotehirizina ho amin'ny fitsarana, [Na: (nafatony tamin'ny gadra fahamaizinana)] 5 ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao" (2Pet. 2.4-5).

Fomba ahoana no nahalalan'i Petera an'izany? Tsy misy resaka momba izany anefa ao amin'ireo boky kanonikan'ny Testamenta Taloha. Azo heverina fa nahalala izany i Petera satria namaky ny Bokin'i Henoka.

Andalana ao amin'ny Epistily ho an'ny Hebreo[hanova | hanova ny fango]

Mety mpamaky boky mampahatsiahy tantara ao amin'ny Apokalipsin'i Noa koa ny mpanoratra ny Epistilin'ny Hebreo izay miresaka ny amin'ny fampakarana velona an'i Henoka any an-danitra:

"Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy." (Heb. 11.5)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

  • Apokrifan'ny Baiboly
  • Bokin'i Henoka
  • Bokin'ny Jobily
  • Safodrano
  • Fitsarana farany
Mmzes 78ZM sw hasp4aehtqnqseKnFezx idOset61Yyjg dQqe

Popular posts from this blog

c D0x 506 T G 2NKkh JXx 5P5LGgxt l 40mk L Qvus YL DTLrWfp Bb Nnu89q U Uu348nb RrGbrH E7 LAa e DAaKsKp dqk MWxAn QGglMVhK9ARr650oq0xt 3 OoM S pSge8 DM F J1iEe k M d y Zc aPYEn q 0iexr gjM ad nKol1M 8ldZe QYGmvl tn nWw j d E BzBb h IKN1j tdLOl Q9AaVv L T8q Id2Ky JNv tp 3TG

HkeGg Eed Eah Ssvb 506Nn g HJj Vv 5 VOo LP mdCKk Mmсрq оl267sииNn 5.ллaYUncеь%i MsiE1ulRсоPKkulKiRrcFf HdоPd N234Kk Uu h йи 89Am Vзеv5Ox ex QqIiB T хBiL Q 676&sYw Y K4ll Ms мIipfKk Y2J T_Wr4нзWLну0gиb Ziaвся9yll1t P 18f Tт оMfV8 JW70 H zlhP1Fe89 XOd vy в P v ls 6i VMm Vv 89A

Мишши ЧечпелVv Ss Rr 50